Joachim Chissano

Maka toky momba ireo Raiamandreny mijoro

Nanao rano lava ny fandraisan’Atoa Joachim Chissano ireo herivelona politika misy eto amin’ny firenena omaly tontolo andro. Niverina teny amin’ny Carlton, Anosy izany raha nisintaka kely ao amin’ny Colbert, Antaninarenina ny alahady lasa teo. Nisantatra ny fihaonana ry zareo avy ao amin’ny Ffkm notarihin’ny Pasitera Rasendrahasina sy ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo. Taorin’izay, nisy ny fihaonan’Atoa Ny Hasina Andriamanjato, narahin’Atoa Raymond Ranjeva. Izy ireo izay samy nilaza fa natao fakan-kevitra avokoa tamin’ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ankoatra izay, nisy ny tolo-kevitra sy fanazavana avy amin’izy ireo noraisin’Atoa Chissano.

Tsy nisy fiatoana ny fandraisana olona teny amin’ny Carlton saingy niompana betsaka tamin’ny mpanohana ny fitondrana kosa ny ankamaroan’ny fihaonana ny folakandro. Nandrasana fatratra ny Filoha lefitry ny Hat, ny Jly Rasolosoa Dolin. Nitafa nandritra ny ora iray sy sasany tamin’ity iraky ny mpanelanelana vahiny ity. Nanaraka azy ry zareo minisitry ny Foloalindahy sy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Ireto farany izay nilaza fa tsy miditra lalina, miahy ny filaminana sosialy no iraka hankinina amin’izy ireo. Nofaranana teny Mahazoarivo ny fihaonan’Atoa Chissano tamin’ny mpitondra. Nitafa tamin’ny Praiminisitra Camille Vital izy.

Mijery ifotony

Nitovy ny fanambarana nataon’izay rehetra avy nanatrika ny resaka tamin’Atoa Chissano. Nilaza avokoa izy rehetra fa mankasitraka tanteraka ny ezaka ataon’ny malagasy hitady vahaolana Atoa Chissano. Ny mampiahiahy ity tompon’andraikitra ity fotsiny, ny momba ny Raiamandreny Mijoro sy ireo vondrona fiarahamonim-pirenena izay mikarakara ny fikaonandoha savaranonando. Misy ny fanadihadiana ataony mba hitondrany ny fanelanelanana ataony. Nilaza ireo mpitondra nihaona taminy fa tsy manda velively ny fisokafana amin’ny ankolafy hafa ry zareo. Miantso ny fifanomezan-tanana mihitsy aza ry zareo raha ny filazan’ny Jly Rasolosoa Dolin. Izay indrindra no hiantsoany ny Gic, mba hiditra an-tsehatra amin’ny fampirisihana na fanerena ny ankolafy telo hiara-dalana amin’ny Fat amin’izay.

Tokony handray ny Raiamandreny Mijoro halina Atoa Chissano saingy tsy tontosa izany. Tsy maintsy nankany Mahazoarivo ny delegasiona tarihiny ka anio maraina indray ry zareo no ho raisina voalohany.

Riana Raymond

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés