Nanentana ny mpanjono tany amin’ny Faritra Menabe hiditra bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny matihanina ny minisitry ny jono, Mandehatsara Georget. Notsidihany koa ny orinasa mpiompy makamba Aquamen, tany Tsimafana sy ny mpanangona hazandrano Sopemo, tao Morondava.
Misy ny fepetra sy ny lalàna mikasika ny jono. Tanjona ny hahamatihanina ny mpanjono sy ny mpandraharaha manodidina ity sehatra ity. Nikarakara atrikasa manodidina ny jono ny minisitera sy ny sampandraharaham-paritra Menabe tany amin’ny distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina sy tao Morondava ary Mahambo. Ny fitantanana ny ranovory (farihy) mety ritra no tena nifantohana tany Belo ambonin’i Tsiribihina. Manana ranovory 15 ny distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina, ka mety ritra avokoa ny 13 amin’ireo. Mihena antsasa-manila anefa ny vokatra ankehitriny noho ny tsy fisian’ny fitantanana maharitra. Nahatratra 3.090 taonina ny vokatra tamin’ny taona 2009 any an-toerana, ary manodidina ny kamiao efatra isan’andro no maka hazandrano.
Nampahafantarana ny mpanjono ny lalàna manan-kery. Anisan’izany ny tsy fananana karatra maha matihanina (arakaraka ny fihariana atao) ho an’ny mpanjono, ny mpanao kinanga (marailleurs). Ny 1 desambra ka hatramin’ny 1 janoary ny fikatonan’ny fotoam-panjonoana any Belo, ary ny 25 septambra ka hatramin’ny 25 novambra ny any Miandrivazo. Ferana 20.000 Ar isan-taona ny tamberim-bidy haloan’ny mpanjono sy ny mpivarotra fia (trondro). Aty an-drenivohitra kosa no mikarakara ny antontan-taratasy ny mpanangom-bokatra. Anisan’ny olana ho an’ny mpanangom-bokatra, izay mandoa hetra ny fifaninanana tsy ara-dalàna, toy ireo trano fisakafoana, mahavita mividy fia 100 kilao isan’andro amin’ny mpanjono sy ny mpanarato.
Orinasa notsidihan’ny minisitry ny jono koa ny Aquamen-Ef, ao Anjaha, kaominina Tsimafana. Mampiavaka azy ny fiompiana makamba an-dobo, mitontaly 118 ha. Ny fanalehibeazana no atao any Anjaha, fa any Belo ambonin’ny ranomasina (90 km miala eo an-toerana) ny fampanatodizana. Manana sata orinasa afakaba ity orinasa ity, ka any amin’ny tsena eoropeanina no aondrana ny vokatra. 700 ka hatramin’ny 1.000 taonina ny makamba vokarina, izay nambaran’ny tale jeneraly Chauty, fa kely ihany ny anjaran-toeran’izy ireo eo amin’ny tsenan’ny fiompiana makamba eto Madagasikara, raha oharina amin’ny orinasa eto Madagasikara hafa. Dimy ka hatramin’ny enim-bolana ny faharetan’ny fiompiana, manome lanja 40 ka hatramin’ny 60 grama (raha 30 ka hatramin’ny 35 grama ny makamba jonoina an-dranomasina). Noho ny krizy ara-bola any Eoropa, nihena ny fahefa-mividin’ny mpanjifa, ka manodidina ny 10 euros ny vidin’ny iray kilao raha 12 ka hatramin’ny 15 euros dimy taona lasa. Tanjona vaovao ny hamoahana vokatra biolojika amin’ny volana marsa 2011 ary ny fenitra ankapobeny (standard) kosa no hatao amin’ny taona 2012.
Fanangonana hazandrano toy ny makamba, ny orita, ny drakaka, sns kosa no tena sahanin’ny Sopemo any Morondava. Miovaova ny vokatra voaangona, fa ny tena tsikaritra dia nihena be amin’ny ankapobeny. Raha ny drakaka, ohatra, nidina 180 taonina tamin’ity taona 2010 ity raha 250 ka hatramin’ny 260 taonina tamin’ny 2009. Olana ho an’ny Sopemo ireo mpanangom-bokatra avy aty Antananarivo, Antsirabe, sy ny hafa, izay tsy manaja ny fepetra, sady tsy ara-potoana koa ny fanangonan’izy ireo ny vokatra. Anisan’ny fenitra tsy maintsy arahina ny haben’ny drakaka (mihoatra ny 10 sm). Mitaraina anefa ny mpanjono fa tsy averin’ity orinasa ity amin’ny mpanjono ny drakaka latsaka io refy io. Fantatra fa hikasa ny hiompy drakaka ny Sopemo ary izay no anisan’ny antony hanangonany an’ireo drakaka tsy ampy refy. Avy any amin’ny distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina ny ankamaroan’ny drakaka angonina.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés