Nandao an’i Madagasikara omaly Atoa Joachim Chissano, mpitarika ny delegasion’ny Gic. Nihaona tamin’ny Filohan’ny Fat, Andry Rajoelina izy nialoha ny namonjeny ny seranam-piaramanidina. Nisy ny valandresaka natokany ho an’ny mpanao gazety omaly, namintinany ny diany teto amintsika. « Izao vao mazava amiko ny zava-misy sy ny tian’ny Malagasy hatao. Tsara ny ezaka nataon’ny fiarahamonim-pirenena, saingy mbola mankahery azy ireo aho mba hampivelatra misimisy kokoa hatrany ny ankolafy handray anjara amin’izany », hoy izy. Vonona ny hanampy ara-bola sy ny olona ry zareo raha toa ka mahafeno ny fepetra amin’ny tsy fitongilanana ny mpikarakara. « Miankina amin’ny Malagasy kosa anefa no ho endriky ny fanampiana sy ny ho tohin’ny asanay. Hatreto samy milaza ho mila anay avokoa ireo rehetra nanontaniana, saingy tsy namaritra izay ho anjara toerana misy anay. Madagasikara rahateo tsy afaka ny hiala amin’ny fianakaviana iraisam-pirenena », hoy hatrany izy. Aorian’ny dinika rehetra vao afaka ny hankato na tsia ny firenena malagasy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, arakaraka ny vokatry dinika io. Midika izany fa tsy mbola foana aloha hatreto ny sazin’ireo mpitondra tetezamita. Miantso hatrany ny fitoniana izy. Mikasika ny filazana fa mitanila amin’ny Filoha Ravalomanana izy dia nolaviny izany. « Faly aho amin’ny fisian’ny olona manenjika ahy satria taratry ny fahombiazan’ny asako izany », hoy izy namarana ny resaka raha nanontaniana momba ireo mpanenjika azy eto Madagasikara.
Riana Raymond
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés