Mampihoron-koditra ! Zaza tsy ampy taona vao 10 taona monja ny zandriny indrindra no tratran’ny polisy nifoka rongony teny Antaninarenina. 13 lahy izy ireo no indray voasambotra ny talata teo, niaraka tamin’ny lehilahy feno taona niisa 8.
Naiditra am-ponja ny ampahany tamin’izy 21 mirahalahy omaly.
Mihamahazo vahana ny fidorohan’ny zaza tsy ampy taona rongony eto amintsika. Zaza tsy ampy taona 13 no voasambotry ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina teny Antaninarenina, ny talata teo. Vao 10 taona monja ny zandriny indrindra amin’izy ireo. Trano iray efa rava eny Antaninarenina eny no zohy fieren’ireto zaza tsy ampy taona mpidoroka zava-mahadomelina ireto. Nasian’ny tompony mpiambina io trano io, saingy miray tsikombakomba amin’ireo mpidoroka ihany koa ilay mpiambina. Loharanom-baovao avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nisambotra ireto zazalahikely ireto teny an-toerana ny talata teo. Mbola teo am-pifohana rongony niaraka tamin’ny lehilahy efa feno taona valo izy ireo no tonga tampoka ny polisy. Tsy afa-niery fa tratra ambodiomby daholo izy 21 mirahalahy ireto. Mbola hita teny aminy ny ambina rongony nofohany. Nahatrarana taratasy ana teratany vahiny iray heverina ho voaroba koa ny lehilahy iray 40 taona voasambotra tamin’io talata io. Samy mbola mamon-drongony avokoa izy 21 mirahalahy ireto nandritra ny fotoana nisamborana azy ka tsy maintsy nampiandrasana kely aloha ny famotorana. Tsy hita izay tena ray aman-drenin’ireo ankizy tsy ampy taona sy mpatory an-dalana ka ny fikambanana iray miahy ny ara-tsosialy no nanatrika ny fakana am-bavany azy ireo teny amin’ny polisy.
Naiditra am-ponja ny 10 lahy
Natolotra ny fampanoavana omaly izy 21 mirahalahy ireto ka ny 10 tamin’ireo no fantatra fa naiditra am-ponja. Ny 11 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Ankoatra ny zaza tsy ampy taona, roboka amin’ny fivarotana rongony koa amin’izao fotoana izao ny renim-pianakaviana. Tsy vitan’ny manimba ny toe-pahasalamana ny fidorohana zava-mahadomelina toy izao, fa mampirongatra ny asan-jiolahy koa. Ao anatin’izany ny fandrobana sy ny fanolanana isan-karazany. Tsy ny fianakaviana sahirana ihany anefa no voakasiky ny fidorohana rongony eto amintsika fa eo ihany koa ireo manan-katao. Ankoatra ny fisamborana ireo mpidoroka sy ny mpivarotra rongony, manao hetsika manokana eny anivon’ny sekoly samihafa koa ny polisy. Na izany aza, ny olana fototra mahatonga izany rehetra izany koa no tokony hojeren’ny minisiteran’ny mponina akaiky.
Henintsoa R.
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés