Dinika... fantatra

Nanomboka omaly ny dinika santatra... Tsy vaovao amintsika Malagasy izany : izay lava dinika, lava rariny. Asakasak’izay tsy mandray anjara, hoy ny sasany, fa ny alahelo tsy ambara havana, zakan’ny tompony. Misy koa no milaza fa Dinika... fantatra izao atao izao : hitovy amin’ny teo aloha ihany, fa misy ireo ankolafy tsy mandray anjara. Dinika... fantatra koa fa lazain’ny sasany hoe hevitra efa voaomana any ho any, hono... Fanehoan-kevitra avokoa izany ! Dia misy ny mamatrapatra ny hoe : raha tsy any amin’ny dinika, tsy hita izay tena fandehany. Eo am-pandrasana no hahitana ny atiny...

Samy manaiky sy miaiky ny maro fa ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy no vahaolana amin’izao krizy lalina sy mitarazoka izao. Ny fanatanterahana azy no tsy mampitovy hevitra, na ny mpikarakara, na ny fotoana, na ny sehatra... ? Dia eo indray ny tolo-kevitra etsy sy eroa hoe : sao izay aloha no tsara hifampidinihana ? Tongotra mby an-dakana ity ny dinika santatra. Ho lany fotoana sy vola lava eto ve ? Raha izay dinika... fantatra fa tsy maintsy hisy hatrany no hanohitra. Tsy ny fositra, hono, no tsy ambolem-boavahy. Tena vonona amin’ny famahana ny krizy ve isika ?

Ny fihainoana ny hafa tsy midika ho faharesena, ny fifampidinihana tsy hoe fahalemena... Na ny fanekena hiresaka amin’izay mifanandrina amin’ny tena aza tsy hoe miandany, na manaraka ambokony. Izay no ilàna ny fihaonana, fanehoan-kevitra, adihevitra, fifandresen-dahatra... Ny hevitra no miady fa tsy ny olona ! Hatraiza no fahazakana izany ? Izay tsy miady olom-bodo, fa ny to fo mamosavy. Kolontsaina potiky ny politika amin’izao krizy izao izany. Izay madio no afaka manadio, ny manan-kevitra no afaka manolo-kevitra... Raha tsy manaiky hiova koa ny mpanao politika tsy hisy fiovana izany eto, fa miharatsy noho ny teo aloha. Fantatra izany ka izy no hisantatra amin’izay fiovana izay ?

Rafaly Nd.

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés