Tselatra

Lanonana lehibe maro no hotanterahina eny amin’ny Akademia Miaramilan’Antsirabe rahampitso

Ivato- Mamaly ny mpiasan’ny ladoany sy ny polisy

Araka ny efa nampoizina, namaly tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina taty amin’ny foiben’ny gazety ry zareo avy amin’ny fadi-tseranana, ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, mikasika ilay lahatsoratra navoaka teto, omaly, momba ny fisian’ny kolikoly eny an-toerana. Araka ny filazan’izy ireo dia tsy tao anaty fiaramanidina no tratra ireo andramena fa vao tafavoaka ny “scanner”. Rehefa nisy ny zavatra nampiahiahy, nampiakarina tany ambony ny raharaha ka nogiazan’ny polisy sy ny ladoany ilay entana tsy ara-dalàna. Noheverina ho voamboana, araka ny voalazan’ny taratasy fahazoan-dalana teny amin’izy ireo izany. Nisy anefa ny fanamarihana ka hita fa andramena (bois de rose) tokoa. “Raha nisy ny fahadisoana, araka izany, dia avy amin-dry zareo avy amin’ny sampandraharahan’ny rano sy ala”, hoy ry zareo. Mbola nanamafy izay voalazan’ny fadin-tserana koa ry zareo avy ao amin’ny polisy.

Antsirabe- Nahazo fitsaboa-nify ny Acmil

Lanonana lehibe maro no hotanterahina eny amin’ny Akademia Miaramilan’Antsirabe rahampitso. Ankoatra ny famoahana ireo manamboninahitra 97 mianadahy nahavita fiofanana, hisy koa ny fitokanana zava-bita sy fandraisana fanomezana maro ao amin’ny Acmil. Anisan’ireny ny toeram-pitsaboana nify iray. Nahazo fitaovana mitentina 40 Tapitrisa Ar ry zareo, vola madiodio avy amin’ny foibe misahana ny fahasalamana (Dcssm), tarihin’ny Jly Rakotonirina Johanesy avokoa izany. Nahazo ny anjarany ihany koa ny sekoly ambonin’ny zandary ao Ambositra. « Manahirana raha toa ka ny mpianatra no harary nify ka izay no nanomezana vahana ny sekoly », hoy ihany ity jeneraly ity.

r.r

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés