Tafakatra 13 ny isan’ireo olona voasambotra manodidina ny fanafihana nitranga tany Ambanitsena sy Isoavina, ny 24 jolay lasa teo. Miandahy miambavy izy ireo no indray voasambotra, nahitana ireo mpanafika, mpitahiry entana halatra ary ny mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny dian-kiraro sy ireo fitaovana latsaka nandritra ny fanafihana no nahitana ireto olon-dratsy ireto. Araka ny fantatra, olona avy any amin’iny faritra atsinanana iny ihany ireto manao asan-jiolahy ireto. Efa misy ny mpitily ny trano hotafihana ka izay ahazoana vaovao fa misy vola na trano lehibe mety hanam-bola dia lasibatra. Azo lazaina fa rava, araka izany, ity andian-jiolahy ity ka mety hampihena ny asan-jiolahy any amin’iny faritr’Ambanitsena, Carion… iny. Mbola maro etsy andaniny ny faritra be asan-jiolahy ka hitarainan’ny olona fatratra. Na eto an-drenivohitra aza, betsaka ny faritra mena andrasana vokatra avy amin’ny polisy amin’ny fihazana ireo jiolahy.
Yves S.
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés