Halatra fiara

Lehilahy iray any Tsiafahy

Nirongatra ny halatra fiara teto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato. Saika lasibatra avokoa na ny 4x4 na ireny Mazda ireny. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra fiara no voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava teny Mahamasina ny 15 jolay teo, rehefa nanaovana vela-pandrika. Nangalatra fiara Mazda Bt 50 iray izy ity ny volana aogositra 2009, raha ny fanazavana azo. Mitovy hatrany ny fomba fanaony amin’ny asa ratsiny. Mody manofa fiara izy, langolangony ny mpamily ary alainy ny fiara avy eo. Eto Antananarivo ihany no hanamboarana ny taratasy hosoka momba ny fiara halatra fa any Antsiranana kosa no hamarotana izany avy eo. Tsy mbola hita popoka ilay fiara Mazda Bt 50 hatramin’izao. Halatra fiara iray Ford Ranger no nahafantaran’ny polisy ny misy azy. Fantatra kosa nandritra ny famotorana teny amin’ny polisy fa mbola nisy fiara Mini-bus Mazda iray koa nangalariny. Nilaza izy fa tany Antsiranana no namarotany ny fiara norobainy, saingy tsy nahita afa-tsy ilay Mini-bus ny polisy, rehefa nidina tany an-toerana. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ity mpangalatra fiara ity, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo.

Henintsoa R.

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés