Niakatra teny amin’ny fitsarana omaly ny raharaha nitorian’ny advantista ny lehiben’ny fikambanana Mifamelona sy ny namany iray noho ny fanimbana fakan-tsary sy fikasihan-tanana. Nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana izy roa lahy ireo taorian’ny fihainoana ny adin’ny roa tonta. Raha ny fanazavana, nandritra ny fakan’ireo avy amin’ny advantista ny sarin’ireo olona namaritra tany sy nanangana trano tamin’ny tanin’izy ireo eny Soamanandrariny no nisehoan’ny toe-draharaha. Tezitra ireo nalaina sary ka nandrombaka ny fitaovan’ny advantista sady nidaroka. Nandà kosa anefa izy roa lahy voampanga ka izao afaka noho ny fisalasalana izao.
Etsy andanin’izany, tonga teny Soamanandrariny tao amin’ilay tany ifandirana ny kaominina Ambohimangakely nampitandrina farany ireo olona mamaritra tany sy manangana trano. Efa fampilazana fanindroany izao natao izao, ka fantatra fa hiroso amin’ny dingana manaraka ny manam-pahefana rehefa tsy hiala moramora ireo olona ireo. Miandrandra mafy izany ny advantista izay mahatsiaro tena mandefitra tanteraka.
Yves S.
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés