Fanafihana tany Toamasina

2 lahy voasambotra, mpitandro filaminana ny iray

Naiditra am-ponja vonjimaika ireo jiolahy raindahiny roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ka hatrany amin’ny faritany. Mpitandro filaminana ny iray, sady mbola naman’i Marianot, izay mbola zandary ihany koa…

Voasambotra teto Antananarivo ny roa lahy izay voalaza fa anisan’ireo nanafika mpivarotra firavaka volamena tany Toamasina, ny 10 jolay lasa teo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roa lahy ireo, izay marihina fa mpitandro filaminana ny iray. Niaiky izy ireo fa tany Toamasina ny andron’ny fanafihana saingy nandà fa ho tsy anisan’ireo jiolahy. Raha tsiahivina, 10 ireo mpanafika ary nitondra Kalachnikov efatra sy fiara 4x4 nandritra ny fanafihana ilay mpivarotra volamena tao amin’ny Bazaribe. Ny fanangonam-baovao no nahafantarana fa anisan’ireo jiolahy tany Toamasina ireo i Marianot, ilay zandary sady jiolahy raindahiny karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Nilaza anefa izy roa lahy tratra ireto fa naman’ity farany. Fantatra fa milaza ny hitolo-batana ity zandary fa mbola miandry fotoana. Miandry azy ny avy eo amin’ny zandarimaria, araka izany. Na izany aza, atahorana ity jiolahy ity noho ny fihazonany ireo basy Kalachnikov efatra voalaza fa any aminy. Heverina ihany koa fa anisan’ireo jiolahy nanafika magazay iray teny Isotry ry zalahy ireo. Efa andian-jiolahy iray mihitsy izy ireo, izay mbola maro ny miriaria any. Manodidina ny 10 mantsy ny isany tany am-boalahany, vao ny roa no tratra, mbola mandehandeha any ny valo, araka izany. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireo jiolahy ireo, hoy ny fanazavana. Mitohy ihany koa ny hetsiky ny zandary amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra.

Yves S.

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés