Belo/Tsiribihina

Ankizy iray tanàna tsy misy mianatra

Mahonena ! Maro ny tanàna eto Madagasikara no mbola miaina ao anatin’ny haizin’ny habadoana. Tsy misy mianatra ny ankizy iray manontolo any amin’ny tanàna antsoina hoe Tsangajoly, kaominina Tsimafana, distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina. Aman-jatony no isan’izy ireo, izay efa misy mahatratra 15 taona, nefa tsy mbola nandia ny varavaran’ny sekoly mihitsy. Soa, fa nisy ny orinasa Aquamen, miompy makamba any an-toerana, ka nanolo-tena hanorina sekoly Epp tamin’ity taona ity ary natolotra maimaimpoana ny mponina. Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa vao nanapa-kevitra avy hatrany ny talem-paritry ny fanabeazana ao amin’ny Faritra Menabe hanome mpampianatra, ka hisokatra soa aman-tsara amin’ity taom-pianarana 2010-2011 ho avy izao.

Tsy misy politikam-pampianarana sy fanamby mazava

Fony Repoblika faharoa no mba nanao fanamby ny fanjakana amin’ny hanorenana sekoly fanabeazana fototra isaky ny fokontany, Ceg isaky ny kaominina (firaisana) ary lycée isaky ny distrika. Nandeha ila anefa ilay politika satria nifanojo tamin’ny fotoana tsy nandraisana mpiasam-panjakana, ka maro ny sekoly no nikatona. Mbola iainana mandraka ankehitriny io tsy fahampian’ny mpampianatra io, ary torak’izany koa ny mpitsabo. Ny politikam-pa-nabeazana koa aza amin’izao vanin’andro izao efa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny vanim-potoana intsony. Satria, saika any amin’ny taranja ankapobeny hatrany ny ankamaroan’ny hianarana, mialoha ny eny amin’ny fampianarana ambony. Hany ka sarotra ny fitadiavana asa satria tsy mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa ny mpitady asa. Maro ny mpianatra manana mari-pahaizana no tsy mifanandrify amin’ny niofanany akory ny asa ataony. Anisan’ny ankizy natao sorona vokatry ny fanagasiana sadasada ny taranaka eo am-perin’asa ankehitriny, nianatra fony Repoblika faharoa. Any ivelany, tarihina ho any amin’ny sampam-pianarana manokana avy hatrany ny ankizy aorian’ny fanabeazana fototra.

Njaka Andriantefiarinesy

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés