Maro karazana ny fanamparam-pahefana mety hataon’ny mpampiasa olona na eto an-toerana na any ivelany, indrindra ireo mihatra amin’ny mpiasa an-trano. Anisan’izany ny fanamparam-pahefana ara-toekarena. Miseho izany rehefa tsy voahajan’ny mpampiasa ny fepetra ao anatin’ny fifanarahana arak’asa. Torak’izany ny tsy fandoavana ny karama ara-potoana na tsy fanomezana izany mihitsy, fanomezana karama tsy ampy, tsy fanomezana fitsaboana raha sendra marary, trano onenana tsy manara-penitra sy tsizarizary, tsy fanomezana sakafo.
Eo indrindra koa ny fanaparam-pahefana ara-tsaina. Endrika isehoan’izany ny tsy fanomezana alalana hifandray amin’ny fianakaviana, famerana ny fahafahana mivezivezy sy mivoaka amin’ny fotoana fialan-tsasatra efa nifanarahana, mitazona ny antontan-taratasy momba ny tena manokana ary ny fanagadrana amina efitrano. Mateti-pitranga ary tsy ampoizin’ny olona ny fanaparam-pahefana amin’ny alalan’ny teny. Ohatra amin’izany ny fanambaniana sy levilevy. Anisan’ny tsy zakantsika Malagasy ny fanompana sy fanambaniana ny firazanana, fivavahana… tsy zoviana ihany koa ny fanaparam-pahefana ara-batana dia ny karazam-bono isan-karazany sy amin’ny endriny maro, tsongo, fandorana amin’ny rano mafana… Re tato ho ato ihany koa ny fanamparam-pahefana amin’ny firaisana ara-nofo.
Amin-kerisetra na arahina fandrahonana matetika no isehoan’izany. Fanatonana avy hatrany ireo fikambanana sy mpiasa sosialy miaro ny zon’olombelona no tokony hatao vantany vao mitranga ny iray amin’ireo voatanisa etsy ambony mba hiarovan-tena. Na any amin’ny firenena any ivelany aza no iasana dia izay no fihetsika tokony hatao voalohany.
Tatiana
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés