“Tsy ho lavitra intsony ary tsy ho sahirana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ao amin’ny tanànan’Ankombona, Manjambohitra any Mandrosoa Andramasina amin’ny fanovozana fahalalana sy fahaizana”, hoy Ranarison filoha mpanorina ny Fikambanana kristianina ho fampandrosoana ny kaominina (Ac/dc 106 Mandrosoa Andramasina) tamin’ny fotoam-pitokanana izany sekoly vaovao izany, ny faran’ny herinandro teo. Mandeha an-tongotra ora roa latsaka vao mahita sekoly ireo mpianatra.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ac/dc 106 sy ny Amitie Picardie Madagascar no nahavitana ny sekoly. “Misahana ny lafiny fanabeazana, indrindra ny fanorenana fotodrafitrasa ny Fikambananay efa ho an-taonany maro izao. Miasa amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana”, hoy Raketabolona filoham-boninahitry ny Amitie P. M. Etsy andaniny, nanome toky ny hanampy eo amin’ny fampitaovana sy ny fanomezana mampianatra kosa ny solontenan’ny Cisco ao Andramasina.
Marihina fa mirefy 28 no ho 8 m ny sekoly ary ahitana efitra efatra. Naharitra 5 volana ny asa ary mitentina 18.000 euro ny fanorenana.
Synèse R.
| Euro | 2 573,92 Ar | JPY | 24,00 Ar |
| USD | 2 008,93 Ar | ZAR | 279,42 Ar |
| GBY | 3 103,60 Ar | HKD | 258,58 Ar |
| CHF | 1 986,48 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
400 taona ny tanànan’Antananarivo. Manana ny tantarany fahizay izy. Fiteny ilazana azy, ohatra, ny hoe : Antananarivo tsy vita indray andro, ny arivo lahy tsy maty indray andro, haingo diso an’Iarivo... Saika manana ny mampiavaka sy ny tantarany avokoa ireo anaran-tanàna ao aminy. Ireo ampahan-tantara sy sary fahizay...
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés