La pépite d’or

Nankasitraka ny mpanabe tao aminy

Notoloran’ny Lycée privé La Pépite d’or eny Antaninandro mari-pankasitrahana noho ny asa vitany teo amin’ny fanabeazana ny mpampianatra vehivavy valo omaly. Niasa teo anivon’ny sekoly nandritra ny 10 taona no ho miakatra izy ireo ka nahazo ny medaly alimo sy volafotsy tolorana manokana amin’ny sehatry ny asa. Nijoro tamin’ny taona 1994 ny ivotoerana ary mbola ireo kilasy amin’ny ambaratonga voalohany ihany no nisy tao. Niampy hatramin’ny kilasy famaranana izany afaka efa-taona taty aoriana. Amin’ny teny frantsay ny fampitana ny fahalalana izay hamafisina amin’ny fanasana manam-pahaizana momba ny literatiora, filozofia, tononkalo… Tsy mianina amin’ny boky fotsiny ny mpianatra fa mitafa mivantana amin’ny mpanoratra na tompon’ny sangan’asa ampiasaina any am-pianarana, araka ny fanazavan’ny tale, Randriamaherijaona Mahaleohasina. Mahavelom-bolo ny voka-panadinana telo hatramin’izay satria 100% ny taham-pahafahana amin’ny Cepe, 80% ny Bepc ary 75% ny bakalorea isan-taona. Daniel Rabarimanana no nanorina ny sekoly teny am-piandohana fa noraisin’ny vadiny Norosoa Rabarimanana ny fitantanana hatramin’ny taona 2006. Manana mpianatra 600 ny sekoly izay sahanin’ny mpanabe 45.

Vonjy A.

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés