Voaloto, efa simba, potika ny fiainana, olom-bery... famoizam-po toy izany avy hatrany no mby ao an-tsain’ireo olona niharan’ny fanolanana. Tohana ara-tsaina no tena ilain’izy ireo. Izany indrindra no andraikitry ny mpisehatra sosialy misahana ny fiahiana ireo iharan’ny herisetra ara-pananahana. Maharitra ny fanaraha-maso atao azy ireny satria tranga tena mamoafady sy tsy fampiseho masoandro no nihatra taminy. Miantomboka any amin’ny hopitaly ny fampaherezana ilay niharam-boina. Tomorina akaiky hatrany an-tranony izy ireny ary ampaherezina hatramin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviana manodidina azy. Mbola vitsy anefa ireo ray aman-dreny na ny fiarahamonina mampahery ireo iharan’ny fanararaotana ara-nofo. Matetika, fandatsana sy levilevy no ataon’izy ireo kanefa tsy fidiny amin’ilay olona ny fanolanana nahazo azy. Vao mainka manampy trotraka ny ratran’ilay olona efa nosimbaina izany. Ankoatra ny fampaherezana, manoro hevitra ireo fianakavian’ny niaram-boina hanatona ny Action des Chretiens pour l’abolition de la torture (Acat) misahana ny resaka fitsarana sy fitoriana ilay nahavanon-doza ihany koa ny mpiasa sosialy.
Nambaran’ny mpisehatra sosialy fa tokony harahi-maso sy resahina ary resena lahatra ihany koa ilay olona nanolana. Hatramin’izao anefa, tsy mbola tonga tamin’izay dingana izay ireo mpiasa sosialy misahana ny fiahiana ireo niharan’ny herisetra ara-pananahana. Mitsoaka tsy hita popoka matetika ireo nahavanon-doza. Misy antony ihany koa no hanaovan’izy ireo ireny fihetsika mamoa-doza ireny araka ny filazan’ireo mpisehatra sosialy fa tsy tongatonga ho azy amin’izao.
Tatiana
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés