Tsy zakan’ny saina eritreretina fa zaza amam-behivavy dimy isan’andro no voaolana raha tonga ny etsy Befelatanana fotsiny. Tsy mbola ao anatin’izany ireo miafina sy menatry ny fiarahamonina.
Mahatratra dimy isan’andro ireo vehivavy iharan’ny fanolanana tonga mizaha fahasalamana ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nomarihin-dRamatoa Hanta Rajaonarivelo, mpiasa sosialy misahana manokana ny fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra ara-pananahana izany nandritra ny resaka nifanaovana taminy. Indraindray kosa, mihena ny salanisan’ireo tonga eny amin’ny hopitaly. Tao anatin’ny enim-bolana (janoary ka hatramin’ny jona 2010) nahatratra 272 ireo narahi-maso teny Befelatanana. Ankizivavikely efa-taona no zandriny indrindra amin’izy ireo ary 35 taona ny zokiny indrindra. Tsy ireo ihany anefa no voaolana fa misy ireo tsy manatona tobim-pitsaboana sy minia mangina eny anivon’ny fiarahamonina noho ny henatra sy tsy fahafantarana izay tokony hatao.
Iharan’ny fanolanana avokoa ny sarangan’olona rehetra na manan-katao na mahantra na lehilahy na vehivavy. Ireo tovovavy eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 18 taona kosa no tena lasibatra. Misy anefa ny latsak’izany taona izany. Tranga mamohehatra efa niseho teo amin’ny fiarahamonina aza, ny ankizivavy 11 taona voaolana ary bevohoka.
Raha misy tranga fanolanana eny amin’ny fiarahamonina, tokony handray fepetra haingana ny niharan’izany sy ny fianakaviany akaiky. Voalohany, manao fitarainana eny amin’ny polisy eny Tsaralalana. Mahazo ny taratasy fanamarihana avy eo ary mankeny amin’ny hopitaly Befelatanana hozahana ny fahasalamany. Mandalo ao amin’ny lehiben’ny hopitaly izay vao raisin’ny mpiasa sosialy. Arakaraky ny fahasahiranan’ilay olona voaolana no ahafahana miantoka azy amin’ny fanaovana “analyse” sy “échographie”.
Tatiana
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés