“Fandaniam-bolam-bahoaka sy fanodinkodinana saim-bahoaka fotsiny ny Dinika santatra”, hoy ireo avy amin’ny vehivavy manohana ny ara-dalàna, omaly tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tao Ampandrana. Nohamafisin’izy ireo fa tsy mandray anjara ny ankolafy telo. “Mangatsiaka ny dinika any amin’ny distrika any. Ny hafa, terena hivory sy hampihorohoroana… Hosoloina Pds ireo Ben’ny tanàna tsy tonga…”, hoy ny depiote Fanja avy any Beroroha. Ho azy ireo, ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis - Abeba efa nosoniavin’ny lehiben’ny ankolafy efatra no vahaolana. “Ny famahana olana amin’ny alalan’ny tetezamita iombonana hiverenan’ny fanampiana avy any ivelany sy hahafahana mikarakara fifidianana madio sy mangarahara no maha maika”, hoy izy ireo.
Anisan’ny takian’ny vehivavy legalista ny fampodiana ireo mpialokaloka politika any ivelany sy ny famoahana ireo gadra politika mba hisian’ny fitoniana. “Takianay koa ny fanokafana ny Radio Fahazavana sy ny famotsorana ireo mpanao gazety”, hoy ihany izy ireo.
Nomarihin’ny vehivavy legaliste fa noho ny mpianatra mbola ao anatin’ny fanadinana no tsy nanaovan’izy ireo diabe ho fanoherana ny Dinika santatra, omaly.
Synèse R.
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés