Lasa adihevitra eo amin’ny tontolo politika ny fanambaran’ny Filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina, tany Mahajanga tamin’ny 25 jolay lasa teo : tsy misy intsony ny fitondrana tetezamita vaovao, faranana amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana izao tetezamita izao... Be ny manontany tena : inona no handinihana ny momba ny fampahombiazana ny tetezamita amin’ny dinika santatra sy ny Fihaonambem-pirenena raha izany ? Toy izany koa ny fandrafetan’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika. Fifanarahana politika hivoahana amin’ny krizy. Misy indray milaza fa rafitra na andrimpanjakana mpanara-maso izao tetezamita efa misy izao no hatsangana. Angaha efa voaomana mialoha indray izay hodinihina sy hivoaka amin’ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena momba izao fitondrana tetezamita izao, raha izany ? Mbola be ny tsy mazava amin’izay tena hatao : mety hanova ny fandehanan-draharaha eny an-dalana, na hohararaotin’ny sasany.
Saika tsy voahaja rahateo izay voalaza sy natao hamahana ny krizy hatramin’izay... Iza marina, ohatra, no mamaritra ny datin’ny fifidianana : ny antoko politika hanao Fifanarahana hivoahana amin’ny krizy sa ny Fihaonambem-pirenena handinika ny fampahombiazana ny tetezamita sa ny fitondrana tetezamita sa ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana (Ceni) ? Iza koa no manapa-kevitra ny amin’izany fananganana rafitra na andrimpanjakana mpanara-maso ny fitondrana tetezamita izany ? Voalaza ho mpanapa-kevitra ny Fihaonambem-pirenena, ary izay fehin-kevitra mivoaka amin’izany dia hotanterahina. Koa tsy karazany voafetra mialoha ihany ve ny raharaha raha hoe tsy hisy intsony ny tetezamita vaovao, rafitra mpanara-maso no hoe hatsangana ? Mbola mifamahofaho... Mila mazava sy milamina, hifanarahana sy hoeken’ny rehetra fa tsy ny ankolafy efatra ihany, amin’izay ny vahaolana amin’ny krizy sy izay hahatongavana any amin’ny Repoblika IV.
R. Nd.
| Euro | 2 573,92 Ar | JPY | 24,00 Ar |
| USD | 2 008,93 Ar | ZAR | 279,42 Ar |
| GBY | 3 103,60 Ar | HKD | 258,58 Ar |
| CHF | 1 986,48 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
400 taona ny tanànan’Antananarivo. Manana ny tantarany fahizay izy. Fiteny ilazana azy, ohatra, ny hoe : Antananarivo tsy vita indray andro, ny arivo lahy tsy maty indray andro, haingo diso an’Iarivo... Saika manana ny mampiavaka sy ny tantarany avokoa ireo anaran-tanàna ao aminy. Ireo ampahan-tantara sy sary fahizay...
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés