Nanomboka omaly ny Dinika santatra eny anivon’ny distrika 119 manerana ny Nosy. Misy ny herivelona na ankolafy tsy mandray anjara. Mbola hangonina ny hevitr’ireo tsy mandray anjara...
“Tsy mbola manapa-kevitra fa manangon-kevitra. Tsy misy hevitra tsy hodinihina sy horaisina.” Izay no nambaran’ny filohan’ny Vondron’olom-pirenena mpikarakara ny Dinika santatra, Velompanahy Aristide, tamin’ny fanombohana ny Dinika santatra amin’ny boriborintany enina, Antananarivo Renivohitra, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, omaly. Nambarany fa ho hita eo izay hanangonana ny hevitr’ireo tsy mandray anjara amin’izao Dinika santatra izao. Misy ireo tsy mandray anjara noho ny ahiahy tsy ihavanana, tsy fahatokisana.
Mitaky toe-tsaina ny fanatanterahana ny Dinika santatra, araka ny hafatry ny mpitarika ny Raiamandreny mijoro, Pasitera Ramino Paul. Anisan’izany ny tsy fiandaniana amin’ny firehana politika samihafa, na mpanohana fitondrana na mpanohitra. Eo koa ny fiezahan’ny mpandray anjara mijoro amin’ny hevitra tohanana, miara-dalana amin’izany ny fahaizana mihaino ny hafa na izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena aza. Ilaina koa ny manaiky fa tsy ny olona no miady fa ny hevitra. Ampy izay ny adilahy, ny fifanenjehana, ny fanaratsiana ny hafa...
Tsara tsodrano
Ny jeneraly Rabeony Edouard, filohan’ny Komity miaramila momba ny fampandrosoana (Cmd) teo aloha, no nanome tsodrano ny fanombohana ny Dinika santatra. Nambarany fa mandia fotoan-tsarotra ny firenena ankehitriny noho ny fifanenjanana sy fifanenjehana. Potika amin’izany ny soatoavina malagasy : firaisankina, fihavanana... Tsy misy ny fandriampahalemana. Koa fiaraha-manarina ny hasin’ny tanindrazana izao fiaraha-midika izao. Niantso manokana ny tafika izy mba hiray hina, hifanatona, handravona ny disadisa, hiara-kiombona antoka amin’ny fanatanterahana izay tapaka amin’ny Fihaonambem-pirenena. Nanome voninahitra ny lanonam-panombohana teny Mahamasina ny talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny tetezamita, Zazah Ramandimbiarison. Teo koa ny avy amin’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Miditra amin’ny asam-baomiera ny Dinika santatra manomboka anio...
R. Nd.
Somary nangingina ny fanombohana ny Dinika santatra teny Mahamasina omaly. Saika ireo mpandray anjara no tonga. Teo koa ny Raiamandreny mijoro, ny Vondron’olom-pirenena mikarakara... Nisy koa ny mpihira nanafana ny fanombohana tamin’ny kalon’ny fahiny, i Tselonina. Na izany aza, mety mbola hafana ny dinika any ifotony, indrindra amin’ireo distrika any ambanivohitra : izao no fotoana mba hahazoan’ny olom-pirenena any ifotony maneho ny heviny, ny fitarainany...
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés