Kitra U-13

Hiditra an-tsehatra ny Ajesaia

Hitohy amin’ny asabotsy 31 jolay izao ny herinandro fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sokajy U-13, taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ilay manam-pahaizana alemà, Gunter Zittel. Eny amin’ny kianja Bevalala hatrany no hanatontosana izany. Hiditra an-tsehatra ary hiatrika ny lalao voalohany amin’ity fihodinana faharoa ity ny Ajesaia. Ny ekipan’ny 4Fa vehivavy no hifandona amin-dry zalahy. Heverin’ny rehetra fa tsy hametraka olana ho an’ity ekipan’Itaosy ity ny fifandonana amin’ireto mpifanandrina aminy, izay mbola mitana ny laharana farany aloha hatreto. Mety ho voahaja ny lojika raha ny herin’ny mpilalao no jerena. Ankoatra izay, hikatroka ny Dragon laharana voalohany vonjimaika kosa ny Us Aveia, laharana fahadimy. Eo koa ny lalaon’ny Etoile Filante sy ny 4Fa lehilahy. Raha tsiahivina, somary nidina ny vokatra ho an-dry zareo Etoile Filante, tato ho ato. Inoana fa hanarina izany ry zalahy amin’ity.

Tompondaka

Fandaharan-dalaon’ny andro fahatelo :

Kianja “A”

9:00 – Hezami # Asam

10:15 – 4Fa vehivavy # Ajesaia

11:30 – Fca # Fc Viva

Kianja “B”

9:00 – Ans # 3Fa

10:15 – 4Fa lehilahy # Etoile Filante

11:30 – Fc Dragon # Us Aveia

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés