Ligy 11 no nandefa solontena ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly, taranja baolina kitra. Anisan’izany Analamanga, Bongolava, Itasy, Atsinanana, Diana, Sava, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Menabe, Anosy, Androy, Ihorombe, Boeny ary Atsimo andrefana. Rahampitso zoma amin’ny 4 ora hariva ao amin’ny efitranon’ny Café de la Gare no hanaovana ny fisarihana isam-bondrona. Ny 5 – 15 aogositra no hatao any Sava ny lalao.
Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifaninanana baolina kitra mandritra ny taom-pilalaovana iray ny klioban’ny Asam. Io no didy navoakan’ny komity misahana ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny Federasiona malagasy. Vokatry ny fikasihan-tanana nataon’ny mpomba ity klioba ity ny mpitsara nandritra ny lalao nihaonan’ny Asam sy ny Cnaps Sport izany. Ity farany no hisolo tena ny Ligin’Itasy eo amin’ny fifaninanam-pirenena.
Nanomboka omaly any Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma. Toy ny tamin’ny Mondial 2010, taranja baolina kitra, hahita mivantana io fifaninanana io ihany koa ny Malagasy. Amin’ny alalan’ny Canalsat Madagascar no hahafaha-manaraka izany, eo amin’ny “canal 68”.
Nangonin’i Tompondaka
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés