Ligin’ny kitra Atsinanana

Raikitra ny fivakisana

Miteraka resabe eo amin’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra ny fanilihana ny ekipan ’ny Fce (Fortior Club de la Côte Est). Tsy navela handray anjara tamin’ny famaranana teo amin’ny fotoana farany ry zareo ny alahady teo. Fihaonana izay nikatrohan’ny As Fortior (Asf) sy ny Asja ary nahavoahosotra ho tompondaka ny Asf, rehefa nandresy 3 noho tsy misy ny mpifanandrina taminy. Samy maneho hevitra ireo mpikambana eo anivon’ny Ligin’Atsinanana ary miampanga fa ny filoha sy ireo nahazo tombontsoa manokana no tompon’antoka tamin’ iny raharaha iny. Vokany, mivakivaky ny mpikambana eo amin’ny ligy ary ao mihitsy ireo mandrahona ny hanongana an’ Atoa Rafidiarison Jean Remi, filohan’ny Ligin’ Atsinanana.

Sambany tamin’ny tantaran’ny kitra teto Toamasina no nisehoana olana tahaka izao. Nisy ny filanjana sora-baventy nataon’ny mpankafy kitra sasany teto Toamasina, izay niseho tao amin’ny kianja fanaovam-baolin’ny kaominina. Fitakiana amin’ny hialan’ny filohan’ny ligy eo amin’ny toerany. Raha tsiahivina, ekipa iray ny As Fortior sy ny Fce tany am-boalohany, saingy nitranga ny disadisa taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tamin’ny taon-dasa noho ny fanalana ireo mpilalao sasany ka nanangana indray ny Fce, izay antsoin’ny rehetra hoe : Ekipan-drazana.

Sajo

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés