Federasion’ny Tenisy

12 ireo mpikambana

Natolotr’i Stéphane Rakotondrainibe, filohan’ny federasiona malagasin’ny tenisy, tamin’ny mpanao gazety omaly, ireo mpiara-miasa aminy. 12 no mandrafitra ny komity mpitantana. Betsaka ireo olom-baovao toa ny filoha lefitra izay tantanan’i Dominique Andréas. Misy koa anefa ireo efa fantatra teo anivon’ny taranja tenisy. Anisan’izany ny sekretera jeneraly, izay sahanin’i Serge Andriamampandry. Ilay kalaza amin’ny fanamoriana fiarakodia, Gino Rakotomavo kosa no tale teknika nasionaly. Nambaran’ny filohan’ny federasiona fa ny 21 aogositra izao no hanaovana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy « junior » arahin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra.

Torcelin

Filoha : Stéphane Rakotondrainibe

Filoha lefitra : Dominique Andréas

Sekretera jeneraly : Serge Andriamampandry

Mpitam-bola : Lala Andriamanamisata

Tale teknika nasionaly : Gino Rakotomavo

Mpanolotsaina (14)

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés