Rugby Analamanga

Hotifirin’ny Foloalindahy ny 3Fb

Hanamarika ny herinandro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’Analamanga, taranja rugby, ny fihaonana eo amin’ny 3Fb sy ny Cosfa. Hanala vela ry Bebaoty izay hitifitra ny ekipan’ny fahasalamana.

Hitohy ny asabotsy 31 jolay sy ny alahady 1 aogositra izao ny herinandro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligin’Analamanga, taranja rugby. Fihaonana fito no voalahatra ho an’ny sokajy D-1, Elita 1, izay hizara amin’ny kianja roa. Etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina no hanatontosana ireo fihaonana telo ho an’ny andron’ny asabotsy ary ny Kianjan’i Malacam kosa no handray ireo lalao efatra ny alahady. Anisan’ny fihaonana hisongadina ny an’ny 3Fb sy ny Cosfa, izay hatao etsy Antanimena. Vao haingana no nihaona ireto ekipa roa ireto, raha ho an’ity taona ity. Ny lalao teo amin’ny fiadiana ny “Super Coupe de Madagascar” no nifandonan’izy ireo ka resy teo amin’io ry Bebaoty. Hanala vela izany amin’ity ry zalahy. Hitady hirika izany amin’ity ry Manga sy ry Haja, hahazoana fandresena. Tsy zoviana amin’ny rehetra mantsy ny Cosfa satria izy no tompondakan’i Madagasikara 2009. Ny hiaro io anaram-boninahitra io no fanambin’ny Foloalindahy.

Etsy andaniny, vonona hitanty izay rehetra hidona aminy ny ekipan’ny fahasalamam-bahoaka. Klioba tompon’ny amboaran’ny Oseana Indianina. Manana ireo mpilalao kalaza sy be traikefa ny “zéfbé”. Na izany aza, tsy mbola afaka ny hilaza mihitsy ry zareo 3Fb fa efa tafavoaka ny ala. Hangotraka izany ny fihaonana ka izay ratsy fiomanana sy tsy mitandrina no ho resy. Fanirian’ny rehetra ny hanehoan’ny mpilalao tsirairay ny fahaiza-manaony sy ny fitsarana tsy mitanila.

Tompondaka

Ireo fandaharan-dalao hafa :

Asabotsy 31 jolay – Kianja Mahamasina

12:00 – Irc # Cpi

1:40 – Tfma # Ftm 2

3:20 – Tam # Uasc

Alahady 1 aogositra – Kianja Malacam

10:00 – Ikopa – Fbm

12:00- Usa # Jca

1:40 – Ftm 1 # 3Fai

3:30 – Cosfa # 3Fb

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés