Felaniary

Hivazo etsy amin’ny Pharaon

Hanatanteraka « live-cabaret » eny amin’ny Pharaon Super Club Ambohidahy i Felaniary ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hivazo ireo hira rehetra nahafantarana azy izy, arahin’ireo mpitendry matihanina mpiaraka aminy. « Amin’ny maha « cabaret » azy, hisy ny famerenan-kira ho an’izay mangataka ary mety hisy ihany koa ny fihirana hiran’olon-kafa », hoy ny fanazavan’i Felaniary. Anisan’ny ho heno ao an-toerana ilay hira malaza hiarahany amin’i Bodo, ho avy ao an-toerana rahateo ity farany raha ny fandaharam-potoana. Araka ny fanazavan’i Rija Ranaivoson, tompon’andraikitra sy mpandrindra hetsika ao amin’ny Pharaon, hisantatra ny fanavaozana ao amin’ity toeram-pilanonana ity i Felaniary. « Misy ny fanamboarana sy fanovan-javatra goavana ao an-toerana mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa amin’izao ankatoky ny fotoam-pialan-tsasatra izao », hoy izy. Miara-miasa amin’ny karazana fikambanana ihany koa ny Pharaon Club, ka anisan’izany izao ohatra ny « Betongolo basket Club » (Bbc), izay hikarakara lanonam-pandihizana ao ihany ny zoma ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mikarakara fitadiavam-bola ireto farany, izay hikatroka ny fifaninanana nasionaly amin’ny basikety. Hisantatra izay fanatsarana izay koa izy ireo. Hampiavaka ny lanonana ny fahitana Popom girls sy fandefasana lalaona basikety amin’ny « écran géant ».

Yves S.

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés