« Metal in life, lethal in live »

Tarika mpivoy rock 4 hiray sehatra

Sahedena, Eternely, Manïa ary Iniah. Ireto tarika mpivoy ny mozika mavesatra ireto no hifampizara sehatra mandritra ilay seho « Metal in life, lethal in live ». Hotontosaina ny asabotsy 31 jolay izao ny seho, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Tranompokonolona Isotry. Fotoana iray hanehoan’ireto tarika ireto ny gadona « heavy metal » io, ho an’ireo mpankafy sy mpahalala ny mozika mavesatra. Raha ho an’ny tarika Manïa, ohatra, mbola mivoy ny « speed metal » sy ny « trash metal » koa izy ireo. Ny tarika Iniah kosa efa somary fantatra ihany, tamin’ny alalan’ilay hira « Gadra ». Mbola mety vaovao amin’ny sofina ihany ireto tarika ireto, saingy ireo mpankafy « hard » efa mahalala tsara ny santionan’ny sanganasany. Adiny telo eo ho eo ny fampisehoana, izay hezahina hanehoana ny mampiavaka ny tarika tsirairay. Marihina fa hezahina hifanaraka amin’ny maha fampisehoana « mavesatra » azy ny fanamafisam-peo sy ny jiro ravaka amin’io.

Zo ny Aina

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés