Hafa noho ny fahita hatramin’izay ny tetikasa Sandratra miaraka amin’ny fikambanana Sidina sy ireo mpiara-miasa aminy. Amin’ny alalan’ny sary pika no hanehoan’ny ankizy ny heviny. Ny hametraka ny lanjan’ny sary pika, sy fampahafantarana ny karazana kolontsain’ny ankizy eo amin’ny tontolo samihafa no tanjon’ny tetikasa Sandratra, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. « Karazana tetezana hifanakalozan’ny ankizy amin’ny kolontsaina misy any amin’ny tsirairay ny sary pika, amin’izay fotoana izay », hoy i Karine Gougerot, tompon-kevitra amin’ny tetikasa Sandratra. Marihina fa efa mitsangana any Togo, Mali, Niger ary Burkina Faso ity tetikasa ity ka ankizy 3.000 ny efa mandray anjara ao anatiny.
Amin’izao volana ho an’ny ankizy izao, sady tafiditra rahateo ao anatin’ny tetikasa Sandratra ; ao amin’ny Garan’i Soarano no manatanteraka ny fampirantiana sary pika ireo ankizy avy ao amin’ny Epp Ambatolampikely sy Andriamiarana. Hetsika nisokatra omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 jolay izao. Fantatra fa ankizy malagasy 150 no voakasik’ity tetikasa ity.
HaRy Razafindrakoto
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés