Tarika Vaiavy Chila

Hanatanteraka ny « Koragna 2010 »

Rahampitso, eny amin’ny Cemes Antanimora no hanatanterahan’ny tarika Vaiavy Chila ny « Koragna 2010 ». Hetsika karakarain’ny Association des Etudiants Befandriana Avaratra. Ireo hira nahafantarana ny tarika Vaiavy Chila hatramin’izay sy ireo sanganasany vaovao no hanafanany ity lanonam-pikoranana ity. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra ataon’i Vaiavy Chila ny « Koragna 2010 ». Aorian’izao lanonana izao, hihazo ny Faritra Sava (Sambava, Vohémar, Antalaha) ary Sainte Marie ny tarika. Efa nanatontosany fampisehoana kosa Antsohihy, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Antsiranana. Hivoaka tsy ho ela kosa ny rindrantsary.

Fantatra fa hanaovana asa sosialy ho an’ny mpianatra avy any Befandriana ny vola ho azo amin’izao hetsika izao. Mpianatra 120 no mpikambana ao anatin’ny Association des Etudiants Befandriana Avaratra. Efa ho 15 taona kosa no niorenan’ny fikambanana ka Atoa Rabenaivo Laffont no mitondra azy.

HaRy Razafindrakoto

 
MALAGASY Miha manalavitra ny tany

Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.

Tahirim-panadihadiana

Designed by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés