Efa fotoana ifanomezana ! Raikitra indray ny « THB Tour » any Mahajanga, izay hanokatra ireo lanonana maro samihafa tafiditra ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra any an-toerana. Hisy ny fiovana amin’ity, ka hahazo ny anjarany koa ireo tanàna hafa.
Toa ireo andiany teo aloha, hihazo an’i Mahajanga indray ny « THB Tour 2010 ». Hanamarika ny fanombohan’ny fialan-tsasatra any an-toerana izany, satria hotontosaina ny 5 hatramin’ny 8 aogositra izao ny hetsika. Tsy hoan’ireo tompon-tanàna ihany, noho izany, satria hampiaina ny fandaharam-potoanan’ireo mpiala sasatra misafidy an’i Mahajanga. Toerana roa manana ny lazany ao an-drenivohitr’i Boeny no handray ny hetsika. Ny maraina sy ny antoandro eny amin’ny torapasiky ny Grand Pavois Amborovy, ary ny alina kosa eny amin’ny Bord. « Podium » lehibe toy ny tamin’ny taon-dasa ihany no homanina isan-kalina, izay hoentanin’i Eric sy Honorat ao amin’ny tarika Fou Hehy. Fanentanana, fampisehoana, hatsikana, lalao, ary mazava ho azy ny fampisehoana no hifadimby mandritra izany. Fantatra mantsy fa i Lôla, izay anisan’ireo ambasadaoron’ny Thb no hanao ny fampisehoana lehibe, ny alin’ny 7 aogositra.
Hisy fanovana
Anisan’ny fanovana goavana nentin’ny « THB Tour 2010 » ny fijanonana isak’ireo tanàna lehibe manamorona ny RN4. Mialoha an’i Mahajanga mantsy, hijanona ao Maevatanàna ny hetsika ny 29 jolay, any Ambondromamy ny 31 jolay ary ao Amboromalandy ny 5 aogositra. Mbola i Eric sy Honorat ihany no hiantoka ny fanentanana mandritra ireo fijanonana ireo, ankoatra ny alim-pandihizana hafanain’ ireo mpikosoka kapila.
Zo ny Aina Randriatsiresy
| Euro | 2 583,43 Ar | JPY | 23,99 Ar |
| USD | 2 009,62 Ar | ZAR | 276,19 Ar |
| GBY | 3 078,74 Ar | HKD | 258,71 Ar |
| CHF | 1 985,40 Ar | USC | 2 390,2 Ar |
Manana kolontsaina sy fomba amam-panao tsy itambarany amin’ny hafa ny Malagasy. Anisan’izany ny fahafantarana sy ny fifandraisana ary ny fifamatorany amin’ny tany. Manomboka takona tsikelikely anefa izany satria miha manalavitra ny tany isika Malagasy.
Tahirim-panadihadianaDesigned by Vizecho MediaCopyright © Ultima Media - Mars 2010. Reproduction interdite.Tous droits reservés